Ny Fiangonan'Andriamanitra Miray dia mpikambana amin'ny United Church of God, Fikambanana Iraisam-pirenena, Vondrom-paritra Afrika Atsinanana. Mitory ny Filazantsara ary manomana vahoaka ho amin'ny Fanjakan' Andriamanitra. https://fiamiray.blogspot.com/
"Izay mino sy atao batis no hovonjena; Izay tsy mety mino no hohelohina." (Marka 16:15-16)
5 Jan 2023
Inona ny olombelona?
Jehovah Andriamanitra Ray sy ny Teny no nahary ny olombelona, ary tahaka ny endrik'Andriamanitra no nahariany azy. Nefa voasoratra ao amin'ny Baiboly fa iza ateraky ny nofo dia nofo, ary izay ateraky ny Fanahy dia fanahy.
Andriamanitra irery no tsy mety maty , fa ny olombelona dia mety maty. Nefa manana anjara ho tonga zanak'Andriamanitra, fanahy, koa ny olombelona, ary izay zanak'Andriamanitra no mpiray lova amin'i Kristy ao amin'ny Fanjakan'Andriamanitra.
Dr Rakotondravony Daniel, mpiandraikitra ny Fiangonan'Andriamanitra Miray eto Madagasikara no manolotra ho anao ny toriteny fianarana Baiboly. Ny literatiora sy fanazavana fanampiny dia voarakitra ao amin'ny Toriteny ao amin'ny tranokalan'ny Fiangonan'Andriamanitra Miray.
18 Dec 2022
Fetin'ny Tabernakely sy Fara-Fivoriana
Jesosy Kristy sy ny Fiangonan'Andriamanitra voalaza ao amin'ny Baiboly dia nitandrina ireo andro masina firavoravoana voatendrin'i Jehovah ireo. Inona no hevi-panahin'ny fety? Nahoana isika no tokony hitandrina izany koa ankehitriny?
Araho ny toriteny fianarana Baiboly mahafinaritra atolotry ny Fiangonan'Andriamanitra Miray. Fantaro ny zavatra rehetra ary mifohaza ka katsaho ny Fanjakan'Andriamanitra mba hanananao anjara fiainana mandrakizay miaraka amin'i Jesosy Kristy Tompo.
Ny Fiangonan'Andriamanitra Miray dia mpikambana ao amin'ny United Church of God na Eglise de Dieu Unie, vondrom-paritra Afrika Atsinanana. Efa misy ny fiangonana eto Antananarivo, Madagasikara ary misy ny tranokala mirakitra ny fianarana rehetra. Azonao henoina koa ny internet radio. Ny rohy dia azonao jerena ato: https://ucgmada.blogspot.com
Contact Fiangonan'Andriamanitra Miray
Guest appearances
Does not typically book guests
Based on episode analysis; this does not confirm that the show is currently accepting guests.
Host of Fiangonan'Andriamanitra Miray?
Claim your podcast to manage its listing and keep your show details accurate.
Pod Engine is an independent podcast discovery and analytics service and is not affiliated with or endorsed by this podcast. Artwork and show content belong to their owners. Full legal notice.
Explore this show Podcast research with Pod Engine